Taona maro lasa izay, dia nisy vehivavy iray niaina voahodidina olona nankafy azy fatratra. Indray andro, raha mbola nilomano tao anaty fahafinaretana samihafa izy, dia tonga toa hatsatra hafahafa izay ny takolany, ary nanjary ratsy famirapiratra ny masony. Noheverina aloha fa havizanana no nahatonga izany rehetra izany, kanefa tsy ela dia nambaran’ireo mpitsabo fa aretina efa nihombo io ary tsy misy fanafany.
Tamin’izany fotoana izany, dia nihevitra ny fianakaviany sy ny olona nanodidina azy fa tsara raha afenina amin’ilay marary ny tena toe-pahasalamany. Teo imasony dia tsy nisy afa-tsy tetik’asa no noresahina. Rehefa nitomany, dia niafina.
Nahazo toky tamin’izay hitany ilay vehivavy ka diso fihevitra.
Na dia nihombo aza ny havizanany, dia toa nanome hery azy handroso hatrany ireo zavatra maro isan-karazany nataony. Ny fahafatesana koa anefa nandroso nanao dingan-dava ary toa tsy azony an’eritreritra akory izany.
- « Ta hatory aho, hoy izy indray hariva, ka avelao aho hatory, hahatsara ahy izany; rahampitso aho dia ho metimety kokoa. »
Natory izy ary tsy nifoha intsony!
Toy izany no nisehoan’io vehivavy io ho eo anatrehan’Andriamanitra! –Namita-tena, nofitahin’ny manodidina azy, ny vadiny, ny havany… Nandainga taminy daholo ny olona rehetra, mandra-pikimpin’ny masony. Maty tao anatin’izany fahadisoan-kevitra nokolokoloin’ny manodidina azy izany, mba tsy hananany fanahiana, izy, ary niditra tany amin’ny mandrakizay nefa tsy niomana ny hifanatri-tava tamin’Andriamanitra akory!
Ao amin’ny Baiboly, dia manambara Andriamanitra fa efa nandritra ny taonjato maro no nisy toe-tsaina toy izany:
KANEFA INDRAY ANDRO… TONGA NY FAHAFATESANA!
Miteny amintsika Andriamanitra ary mampitandrina:
Notendrena ny olona « ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana. » Hebreo 9. 27
Misy milaza hoe: « Tantara noforonina izany; mifarana hatreo ny zavatra rehetra, aorian’ny fahafatesana. Avelao izahay hiaina am-pilaminana! »
Ny hafa indray, diso fanantenana tamin’ny fivavahana, indraindray aza tamin’ireo kristiana, tamin’ny mpampiasa azy, ny vadiny, ny mpitondra fanjakana, … dia manapa-kevitra ny hiaina tsy misy teritery, mba hankafỳ tsara ny fiainana: fialam-boly, fety, zavatra tsy dia mendrika loatra…
Andriamanitra, Ilay Mpahary antsika, dia nitady mandrakariva ny hahasambatra ny olombelona. Tsy sitrany mihitsy ny hoe handrara olona iray tsy hankafỳ ny fahafinaretana eo amin’ny fiainana, ny fianakaviana, ny mpivady.
Fa nanome antsika tsirairay fanahy velona mandrakizay koa Izy. Afaka misafidy ny hiaina etỳ an-tany araka izay tiantsika isika —minia tsy miraharaha ny fampitandreman’ilay Andriamanitsika—, kanefa amin’izany, dia ny hoavintsika mandrakizay no ataontsika antoka. Fohy dia fohy nefa ny fotoana lanintsika eto an-tany, raha miohatra amin’ny MANDRAKIZAY.
Manoritra ny toerana misy ny olombelona ny Baiboly:
Tsy misy afaka handà fa indray andro any, dia tsy maintsy ho faty ny tsirairay. Tsy misy afaka mahalala ny ora hahatongavan’izany koa. Maniry daholo isika rehetra hoe mba ho elaela any izany, kanefa tsy voafehintsika ny fiavian’io tranga manetriketrika iankinan’ny hoavintsika mandrakizay io.
Aoka isika tsy hatoritory ao anaty fahadisoan-kevitra na ny tsy firaharahana, na noho ireo zavatra samihafa atao sy ireo fialam-boly.
Anio —mandritra ny maha-velona antsika— no ahafahantsika miomana ho amin’ny mandrakizay.
Aorian’ny fahafatesana, dia HO TARA LOATRA!
Samy meloka eo anatrehan’Andriamanitra isika rehetra, kanefa na izany aza, dia tiany. Izany no tsy ahafoizany antsika ho amin’izany anjara mampalahelo izany, fa nomeny vahaolana isika hialàna amin’ny fitsaràny.
Noho ny fitiavany antsika, dia nanaiky ho faty hisolo toerana antsika i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra.
Izy irery no olona tsy mendrika ny fahafatesana, satria tsy nisy ota. Kanefa dia nofantsihina teo amin’ny hazofijaliana Izy, ary nizaka teo ny fanamelohan’Andriamanitra izay tokony ho nihatra tamintsika. Tao anaty fijaliana mampivarahontsana no nanefany ny avotry ny fanahintsika. Nomeny an-tsitrapo ho antsika ny ainy.
Toa inona ny fitiavan’i Jesosy Kristy!
Ahoana àry no ahazoana io famonjena maimaimpoana, izay mbola atolotr’Andriamanitra ho an’ny rehetra io, ankehitriny?
Ampy ny miaiky ny maha-meloka antsika, manambara aminy ny fahotantsika ary mino fa Jesosy Kristy Zanany dia maty teo amin’ny hazofijaliana hanonitra izay rehetra fahadisoantsika.
Ny hany ahazoana mandray izany fanomezana izany dia ny finoana, izany hoe mino an-kitsimpo izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly.
Ary tsy fiainana ao anaty fahadisoan-kevitra izany, fa fiainam-pinoana sy fitokiana amin’Andriamanitra, ary fahazoana antoka fa ho sambatra mandrakizay.
Ny tsy finoana izay lazain’Andriamanitra dia fanaovana tsinontsinona Azy na fiheverena fa tsy dia zava-dehibe izany. Aoka isika hisaintsaina ny amin’ny vidiny naloa mba hanomezana antsika izany hoavy mandrakizay izany:
Koa amin’ny fonay manontolo no ilazanay aminao hoe:
Mieritrereta!
Inona no ho safidinao?
Ho aiza ianao any amin’ny mandrakizay?