Matetika no andrenesana izany valin-teny izany, rehefa voatonona ny anaran’Andriamanitra na ny an’i Jesosy Kristy. Nanjary tsy zaka intsony ny filazana izay ambaran’ny Baiboly.
Arakaraka ny fandraisantsika zavatra, ny fomba fiainantsika, ny toe-pontsika, ny zavatra niainantsika, dia misy akony manokana amintsika ireo teny ireo. Azo antoka fa ny fiainantsika teo aloha dia vonton’ny fahatsiarovana sy ny traikefa mety nananantsika momba an’Andriamanitra.
Efa mikorontana sahady ve ny fieritreretantsika raha vao mamaky ireo teny ireo fotsiny?
Nahoana no mandà na dia ny hanonona azy ireo fotsiny aza? Mahatsiaro tena ho meloka ve, sa matahotra izay ho vokany, na noho ny avonavona?
Azontsika antoka ve fa fantatsika ny tena dikan’izy ireo?
Mba tiako hampahafantarina anao hoe iza marina moa io Andriamanitra resahin’ny Baiboly io, inona ny fiheviny momba ny olombelona, ary iza moa i Jesosy Kristy.
Maneke hanatona an’Andriamanitra anio, amin’izao toerana misy anao izao, na inona na inona toe-panahy anananao. Matokia fa tsy manery na iza na iza Andriamanitra ary tsy hanameloka anao, fa tiany ny hizara amin’ny olona rehetra ny fitiavany sy ny fahasoavany.
Ny hoe manatona an’Andriamanitra, dia tsy miditra ao anaty antokom-pivavahana tsy akory na mametraka ny tena ho eo ambanina lalàna...
Voalohany aloha, dia asehony antsika Izy ho toy ilay Andriamanitra tokana, Mpahary izao rehetra izao: ny tontolo sy ny zavamananaina.
Ny fiheverana hoe misy « mpahary » dia midika fa eo ambany fahefany isika ary mampilaza fa tsy maintsy ampamoahana ny amin’izay nataontsika isika. Mety ho zava-mahatahotra izany, raha heverina hoe tompo masiaka ilay ambony noho isika io. Nefa…
Ny hatsaran’ity tany ity sy ny firafitra saro-pantarina mampirindra ny vatantsika dia manambara amin-kery ny halehibeazan’Andriamanitra. Manoloana izany isika dia tsy misy ho afa-tsiny mihitsy!
Ny fandàvana izany dia fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra:
Dia mbola vakiantsika koa hoe:
Manoloana Ilay Andriamanitra masina sy marina, dia sarotra amintsika ny miaiky hoe meloka isika. Izany nefa no tena zava-misy. Raha tsy te hamita-tena isika, dia tsy maintsy miaiky fa nanao fahotana (lainga iray monja dia efa fahotana). Na dia heverintsika ho bitika aza izy ireny, dia mahatonga antsika ho mpanota meloka, mendrika ny fitsaràn’Andriamanitra.
Dia ho lasa fahavalontsika ve Andriamanitra? Dia hanenjika antsika ve ilay Mpahary antsika, mba hamotika antsika?
Ny Andriamanitsika dia tia antsika, araka izao maha-isika antsika izao. Tia antsika mihoatra lavitra noho izay mety hosaintsainintsika Izy.
Kanefa, satria Andriamanitra masina sy marina Izy, dia voninahiny ny mitsara ny faharatsiana araka izay mendrika izany.
Koa amin’ny fomba ahoana àry no ahafahan’ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fitiavany antsika hiara-mitoetra?
Nirahin’Andriamanitra ho etỳ an-tany ny Zanany. Nahafaly indrindra ny Rainy i Jesosy Kristy, satria Izy irery no nanatanteraka feno ny sitrapony manontolo.
Teo amin’ny hazofijaliana tao Golgota i Jesosy Kristy dia niaritra ny fanamelohan’Andriamanitra rehetra tokony ho nozakaintsika mandrakizay. Maty nisolo toerana antsika Izy, ary ny rany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. Tonga hatramin’izany ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Noho ny sorona nataon’i Kristy, dia voavonjy ho afaka amin’ny fitsarana mandrakizay ny fanahintsika.
Tsy tokony hanonofinofy isika hoe hanakimpy maso manoloana ireo fahotantsika Andriamanitra satria « tsara ». Ny Andriamanitsika dia tsy mandefitra; fitiavana Izy, marina sy mahitsy.
Tsy hay vidina amina asa soa atao ny fankasitrahany. Na oviana na oviana ireo dia tsy hahonitra na dia fahotana iray monja nataontsika aza.
Ny fandavana anio ny fitiavan’Andriamanitra dia fanolorana ny tena hiatrika Azy amin’ny maha-mpitsara Azy, aorian’ny fahafatesana.
Fifaliana tsy misy fiafaràny no hameno ny fontsika, ary tsy hisalasala intsony isika hanatona an’Andriamanitra. Ho azontsika fa afaka matoky Azy tanteraka isika ary hovimbininy mandritra ny androm-piainantsika.