Tanora iray, naratra tamina lozam-pifamoivoizana, hoentina any amin’ny hopitaly… Nanontany ireo mpamonjy voina ny mpanao gazety iray :
– « Ahoana ny fandraisanareo ny fijaliana sy ny fahorian’ireo olona niharam-boina sy ny fianakaviany ?
- Manao izay azo atao izahay mba hahakely ny fangirifiriany, ary mitondra teny fampaherezana koa.
- Eny e, fa mba ahoana ny fihetseham-ponareo manoloana ny fangirifiriana sy tebiteby hitanareo mandavantaona ?
- Tsaboinay araka izay azo atao ireo tra-boina ary ampianay ara-tsaina koa, nefa dia mametraka elanelana ihany koa izahay. Tsy hoe tsy miraharaha ny fahoriany, tsy akory, izahay, fa tsy afaka ny hibaby ny fijalian’ireo olona maratra koa : vetivety foana dia ho sempotra izahay, ary tsy ho afaka hanao ity asa ity intsony akory ! »
- Ka raha izany, hoy angamba ianao, iza no afaka hahatsapa ny alaheloko sy ny fijaliako ?
- Iza no afaka hanampy ahy hilanja izany ?
- Iza no afaka hanampy ahy, hampionona ahy ?
Mba fantatrao ve ity teny nolazain’i Jesosy Kristy ity :
Mamelà ahy hiresaka aminao momba ny fangorahan’ny Tompo Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra...
Izy irery no afaka hahatsapa ny fahorianao rehetra, ary Izy irery no afaka hitondra izany; te hanamaivana ny entanao sy hampionona anao Izy.
Marina fa tsy eto an-tany intsony i Jesosy Kristy, hanasitrana ny marary, hampahiratra ny jamba, na koa hampitsangana ny maty. Efa any an-danitra Izy ankehitriny, efa nitsangana tamin’ny maty. Kanefa avy any Izy no mitsimbina antsika tsirairay ; hitany daholo ny fahoriantsiaka sy ny fijaliantsika.
Te hanampy antsika tsy an-kanavaka Izy, ary tsy miandry antsika ho mendrika hovonjena.
Indreto misy teny notsongaina avy tamina tantara iray nolazain’i Jesosy, ao amin’ny Filazantsara :
Toy io lehilahy io, dia matetika isika no tratra-na haratsiam-panahy na ny tsy rariny, voaratran’ny fiainana (aretina, fisaonana, tebiteby, fandaozana, fahatsiarovana ho irery…). Indraindray isika dia toa « saiky maty », ary tsy misy na iza na iza manampy antsika.
Na ireo olona akaiky antsika aza, dia tsy afaka mamonjy antsika, na koa tsy miraika amin’ny fahoriantsika.
Fa misy Olona iray tena onena antsika, dia ny Tompo Jesosy.
Nandritra ny fiainany teto an-tany Izy dia nahita ny atao hoe fijaliana, fanivaivana, fankahalana, mihoatra noho ny olona rehetra. Izany no ahatakarany ny fahoriantsika lalina indrindra. Tsy vitan’ny hoe azony izany, fa mijaly ny fony mahita antsika mijaly, izany no atao hoe onena.
Izy irery no afaka hanamaivana ny fijaliantsika sy hampitony ny fontsika. Andeha isika hanatona ny Tompo Jesosy, mba hampiononiny. Aoka holazaintsika aminy tsotra fotsiny ny fahoriantsika, ny fahantrantsika rehetra :
Ndeha koa isika hihaino ny feony amin’ny famakiana ny Teniny (dia ny Baiboly), dia hionona sy hahazo hery :
- Matahotra ny hanatona Azy ve isika, satria Andriamanitra Izy ?
- Mahatsiaro meloka ve isika, manoloana ny fahamasinany ?
Jesosy Kristy dia Andriamanitra. Marina sy Masina Izy. Mankahala ny ota Izy, nefa tia ny olona rehetra, na dia mpanota aza izy ireo. Tsy holaviny mihitsy izay manatona Azy.
Na dia tsy tsapantsika aza izany, matetika, ny fahoriana lehibe indrindra mianjady amintsika, dia ny fahatsiarovantsika tena ho meloka, manoloana an’Andriamanitra, noho ireo fahadisoantsika. Raha mbola tsy milamina ihany koa ny saintsika momba izany, dia tsy hahita ny tena fifaliana maharitra isika.
Nampihavana antsika tamin’Andriamanitra i Jesosy Kristy, teo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary. Mba hahatonga antsika ho voavela heloka, dia nomelohin’Andriamanitra i Jesosy Kristy, nisolo toerana antsika. Maty Izy, hanafaka antsika amin’ny fahotantsika.
Raha mino izany isika, dia hanana fiadanam-po. Izany no fampiononana voalohany entin’i Jesosy Kristy ho antsika. Raha mba fantatrao mantsy ny fiadanana mameno ny fon’izay mahalala an’i Jesosy ho toy ny Mpamonjiny ! Fiadanana tsy manam-paharoa izany !
Manomboka hatreo, dia toy ny miova ny zavatra rehetra miseho eo amin’ny fiainana.
Na tsy foana toy ny nisy fahagagana aza ny fahasahiranana rehetra, dia misy Olona miaraka amintsika hamakivaky izany.
Eo ny Tompo Jesosy, eo anilantsika. Mitondra fampiononana Izy, mitondra ny hery ilaintsika isan’andro. Izy no ilay namana mahatoky, mihaino antsika lalandava. Nampanantena Izy hoe :
Izy irery no mahafantatra ny olana mianjady amintsika, na dia alohan’ny hilazantsika izany aminy aza. Izy irery no afaka hitondra vahaolana mitombina, valin-teny azo antoka, na koa fampaherezana tsotra fotsiny, satria Izy no mitantana ny zavatra rehetra miseho eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Izy no afaka manasitrana ny ratram-piainana rehetra, na dia izay efa tranainy aza.
Manatòna ny Tompo Jesosy ; raiso ho toy ny mpamonjy anao sy namanao Izy. Ho feno fifaliana tsy hay lazaina ny fonao.