Iza no afaka mandoa ny trosako ?

Nanolotra vola handoavana ny zavatra novidiko an’ilay mpivarotra aho.

- Tsy aleonao ve omena ahy iny ? hoy izy namazivazy. Tsy hoentinao any an-danitra anie tsinona iny e ! Mba hanazavany tsara amiko ny tiany hambara, dia nampiany hoe : Raha mivoaka avy eto izao ianao, mety ho voan’ny loza… mahafaty !

- Eny e ! Marina izany ! Fa ny zava-dehibe anie dia ny hiseho aorian’izay e !

- Tsy misy ! Tsy misy na inona na inona, aorian’ny fahafatesana ! Niezaka ny hino ihany aho, fa tsy nety mihitsy.

- Izay aorian’ny fahafatesana, dia ambaran’ny Baiboly antsika. Izy ihany no manome valiny azo antoka, satria tenin’Andriamanitra.

Niandry ireo mpanjifa sasany, ka tapaka teo ny resaka. Kanefa dia maro ireo fanontaniana mipetraka :

Nahoana aho no tsy hila vola any ankoatra ?

Ary raha manana trosa amin’Andriamanitra aho ?

Ahoana no handoavako izany ?

Manahiran-tsaina izany fanontaniana izany. Angamba odiantsika tsy hita, satria mampatahotra.

Marina tokoa isika fa manana trosa amin’Andriamanitra, ilay Mpahary antsika.

Ambarany ao amin’ny Baiboly izany :

« Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. » Romana 3. 23
« Hiharan’ny fitsaràn’Andriamanitra izao tontolo izao. » Romana 3. 19

Tsy maintsy miaiky isika fa, tany andro, efa nanota. Mety ho tsy tena fahotana lehibe, angamba, tsy heloka bevava, nefa kosa lainga. Tsy misy izay tsy mandainga ! Izany tokoa, indrisy ! nefa izany dia mahatonga antsika tsirairay ho meloka eo imason’ Andriamanitra ; natokana ho antsika ny fahafatesana mandrakizay, sy ny fijaliana tsy manam-pahataperana.

« Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana. » Hebreo 9. 27
« Tsy misy (olona)… mahazo manome an’Andriamanitra izay avony (fa sarotra avotra ny ainy, ka tsy azo atao mandrakizay). » Salamo 49. 7-8

Izany no antony tsy ilantsika vola any ankoatra, satria tsy misy lanjany intsony izany, any.

Koa ahoana àry no handoavana ny trosan’ny fahotako ?

Ny Baiboly no manome ny valiny mahavariana amin’izany :

« Fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo… fa ny ra soan’i Kristy. » 1 Petera 1. 18-19

2000 taona lasa tany ho any, izay, dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana i Jesosy Kristy. Teo Izy dia nitondra ny fahotantsika. Nozakainy teo ny fanamelohan’Andriamanitra, izay mendrika ho antsika. Izy no nandoa, nisolo toerana antsika. Talohan’ny hahafatesany, dia hoy Izy :

« Vita » Jaona 19. 30,

izany hoe : « Voaloa ny trosa. »

Taorian’izay, dia natolony ny ainy (izany hoe maty Izy), ary nisy miaramila iray nandefona ny lanivoany. Ra sy rano no nivoaka avy tao.

Io ra io, io ra sarobidin’i Kristy io, no manefa ny trosan’ny fahotantsika eo imason’Andriamanitra.

« Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. » 1 Jaona 1. 7

Ho an’ny olona rehetra ve izany ?

Eny : « Kristy Jesosy, Izay olona,(no) nanolotra ny tenany, ho avotra hisolo ny olona rehetra. » 1 Timoty 2. 5-6

TANDREMO, NEFA : « Izay tsy mety mino no hohelohina. » Marka 16. 16

Ireo mino an’i Jesosy Kristy ihany, mantsy, no mahazo tombony amin’io « fandoavana » io !

« Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra), ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. » 1 Jaona 1. 9
« Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao. » Asa 16. 31

Eo imason’Andriamanitra, ny olona izay mihevi-tena ho tsy mpanota ary mino fa tsy mila ny ran’i Kristy, dia tsy afa-trosa. Rehefa handao ity tany ity izy, dia tsy maintsy vonona « hampamoahin’Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty. » 1 Petera 4. 5

Tsy misy afaka misolo toerana anao, hanefa izany trosa izany, afa-tsy i Jesosy irery ihany.

Raha vao miala eto amin’ity tany ity ianao, dia tsy misy sorona na vavaka afaka hanova ny anjaranao mandrakizay.

« Eo amin’izay ianjerany ihany no handrian’(ny hazo). » Mpitoriteny 11. 3

Noho izany, dia manantitra izahay : miomàna ianao, dieny izao, hifanena amin’Andriamanitra. Rehefa avy eo, mety ho tara loatra, ary ho tara loatra ho mandrakizay.

« Solon’i Kristy izahay, ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo. » 2 Korintiana 5. 20

Tetỳ an-tany, dia i Jesosy Kristy irery ihany no olona marina sy tonga lafatra. Izy irery no tsy nanana trosa tamin’Andriamanitra, satria tsy nisy ota.

Nefa satria TIA ANTSIKA IZY (tia ahy sy tia anao), dia nanaiky « handoa », hisolo toerana antsika.Tsy maintsy niharitra fijaliana tsy hay lazaina Izy, mba hamonjy antsika amin‘ny fahafatesana mandrakizay.

« Nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra. » Isaia 53. 6

Ireo izay nanaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny, dia mahatsiaro am-pankasitrahana feno ny vidiny noefainy mba hanadio azy ireo amin’ny fahotany.

Miandry ny Tompo Jesosy izy ireo : ho avy Izy hampiditra azy ireo any an-danitra, miaraka aminy. Dia ho tanteraka, amin’izay, ity andininy ity :

« Nihira fihiram-baovao izy, ka nanao hoe : Ianao no mendrika… fa voavono Ianao, ary ny ranao no NANAVOTANAO ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra. » Apokalypsy 5. 9

Hanodidina ny Tompony daholo izy ireo, na inona tany niaviany, na inona firazanany, na inona toetrany, na inona fiainany taloha, satria nino an’Andriamanitra, ary nanaiky an’i Jesosy Kristy ho hany Mpamonjiny.

Tsy mba tianao ve ny ho anisan’ireo olona izay hifaly sy ho sambatra any an-danitra mandrakizay ?

Publié le 15.10.2009


Télécharger le PDFIza no afaka mandoa ny trosako ?