Firaisana ara-nofo araka ny Tenin’Andriamanitra
Tamin’ny vao nisy ny olona, fony nahary ny zavatra rehetra Andriamanitra, dia izao no voasoratra :
Nanomboka tamin’izay fotoana izay Andriamanitra dia nametraka ireo fototry ny fifandraisana voa-janahary eo amin’ny olombelona. Nahary karazan’olona roa Izy : lehilahy sy vehivavy. Noarìny hanana endri-batana sy fahatsapana samy hafa izy ireo, nefa nomeny faniriana voa-janahary hifanatona koa.
Tamin’ny fotoanan’ny fahariana dia hoy Andriamanitra : « Tsy tsara raha irery ralehilahy ; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy... Ary Jehovah Andriamanitra ... [nanao] vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. » Genesisy 2. 18-22
Tena mahafantatra antsika tsara ilay Mpahary antsika. Noho ny fahendreny lavorary sy ny fahasoavany dia tiany tarihina isika, amin’izay fotoana fidiny, any amin’izay olona hiombom-piainana amintsika manomboka hatreo, mba hahasambatra indrindra antsika.
Tamin’ny fahariana Andriamanitra dia efa nametraka io fifamatorana io.
Jesosy Kristy mihitsy no mampahatsiaro io didin’Andriamanitra io :
Mipaka amin’ny fanambadiana ny fitiavana mampiray olona roa. Izy no fototry ny fiainan’olon-droa sy fiainam-pianakaviana, ho an’ny olona rehetra, na inona na inona firenena niaviany. Ny fanambadiana no hany fandaminana napetrak’Andriamanitra, ahazoana LEHILAHY iray sy VEHIVAVY iray maneho an-kalalahana ny fifankatiavany ao amina firaisana ara-nofo, izay ahafahan’izy ireo koa hampisy tsy tapaka ny aina eto an-tany.
Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny lehilahy samy lehilahy na eo amin’ny vehivavy samy vehivavy dia ambaran’ny Baiboly (ny Tenin’Andriamanitra) hoe : « tsy fanao ». Romana 1. 26-27
Andriamanitra, tamin’ny fahariana, dia nametraka ny fahasambaran’ny mpivady eo amina fanorenana tsy miovaova :
Lehilahy tokana sy vehivavy tokana no mifamatotra, mandritra ny fiainany eto an-tany. Ho tena « fanambadiana » izany fiarahana izany rehefa voarakitra eo anatrehan’ny manampahefana, araka ny lalàna na ny fomban-tany misy azy roa ireo. Amin’izay fotoana izay, io fifamatorana io dia voarakitra koa eo anatrehan’Andriamanitra.
Ny fanambadiana dia fifamatorana. Aoka izany horaisina ho fitahian’Andriamanitra fa tsy fepetra tsy maintsy ekena raha te hanao firaisana ara-nofo isika. Noforonin’Andriamanitra io fifamatorana io, mba hahafeno ny fahasambaran’ny lehilahy iray sy vehivavy iray miaraka. Mandraka ankehitriny dia ny fanajana ny fandaminana napetrak’Andriamanitra no ahafahan’ny tsirairay miaina ny fahasambaram-be ao amin’olon-droa ampiraisin’ny fanambadiana. Ny « olana eo amin’ny mpivady » dia vokatry ny fihetsiky ny tsirairay amin’izy roa tonta. Mety hisy ny fotoan-tsarotra. Nefa tsy afaka hanome rariny ahy velively handrava izay naorin’Andriamanitra ny toetra sarotra zakaina ananan’ny vadiko na ny fahavoazana mety nihatra tamiko noho ny nataony.
Tsy fanitsakitsahana, famelan-keloka, fitokisana, fanajana, mbamina toetra tsara maro hafa koa no tokony hokolokoloin’ny tsirairay amin’ny mpivady. Mba hiainana araka izany, ny hahitan’izy ireo hery ilaina dia ao amin’ny fifandraisana manokana amin’Andriamanitra.
Tsy izaho sy ianao ve, isaky ny dikaintsika ireo fitsipika napetrak’Andriamanitra, mody hoe hialana amin’ireo fangejana ?
Ny manao tsinontsinona ny fandaminan’ Andriamanitra momba ny firaisana ara-nofo dia fahavetavetana eo imasony !
Ny hany ankasitrahin’Andriamanitra sy tahiany dia ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana.
Melohin’Andriamanitra ireto firaisana ireto :
Ny fijangajangana : firaisana ara-nofo ataon’olona tsy manambady na ataon’olona amin’olona hafa noho ny vadiny. (Matio 19. 18)
Ny firaisana mamoafady : firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. (Romana 1. 26-27)
Ny fisaraham-panambadiana : fanapahana ny fifamatoran’ny fanambadiana.
Ny tokantrano maso : miray trano nefa tsy mifamatotra amin’ny fombam- panambadiana.
Ny vady maro.
Izay rehetra firaisana ara-nofo mivaona : fivarotan-tena, firaisana amin’ankizy, firaisana amin’olom-pady, fanolanana, fitiavana mijery na manao zavatra mamoafady, fifanakalozam-bady, sns. (1 Korintiana 6. 9-10, 18 ; Levitikosy 18. 6-17, 22-23 ; 20. 10-21)
Ireo izay virijina na tsy manambady : tsy tokony hanao firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana.
Ireo izay mijangajanga, na mpaka vadin’olona, na mifampila samy lahy na samy vavy, na manao firaisana ara-nofo mivaona : tokony hitsahatra tsy hanao izany zava-mahamenatra izany intsony ary hiaiky ny fahotany amin’Andriamanitra. Izany no fampitandreman’ny Tenin’Andriamanitra.
Ireo izay tojo zava-tsarotra eo amin’ny fanambadiany : aoka hitalaho fanampiana amin’Andriamanitra, mba hahazo hery hangatahany famelana amin’ny vadiny noratrainy na hahavitany mamela ny heloky ny vadiny nandratra azy. Hofadin’izy mivady ny hisara-panambadiana.
Izay miaiky ny fahadisoany sy mino fa maty Jesosy Kristy mba hamafa ny fahotany dia afaka mahazo antoka fa avelan’Andriamanitra heloka. Hahazo hery izy hanomezany voninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny fiainany amin’ny firaisana ara-nofo, amin’ny fiarahany amin’ny vadiny, ao amin’ny tokantranony.