Nitsotra naka aina i Rivo. Nakombony ny kahieny. Vita izay ny famerenana ny lesona farany. Afaka mampiriorio saina aloha izy.
Tonga ihany ! Rahampitso ilay andro lehibe. Faly erỳ i Rivo fa tonga ihany ilay andro nandrasana ! Ela izay efa nieritreretany an’io izay, sy nanomanany tena ! Mbola tany amin’ny ambaratonga faharoa izy dia efa fantany fa ny hanao dokotera mpitsabo biby no tiany. Koa tanjona iray ihany no nataony an-tsaina : tsy maintsy tafita. Nianatra mafy izy hanomanany io asa io. Nahenany aza ny fanazaran-tena tamin’ny baolina kitra mba hananana fotoana bebe kokoa hianarana. Nihevitra izy fa nanao izay azony natao rehetra. Dia rahampitso izao ny fanadinana sady fifaninanana.
Nitsangana izy, afa-po. Nomaniny ny entany rahampitso. Nahatsiaro ho vonona izy.
Isika koa manokana fotoana hanomanana ny zavatra ataontsika isan’andro, toy ny hoe manomana ny kitapo hoentina rahampitso, manomana ny lisitry ny zavatra hovidiana any an-tsena, manomana ny ilaina amin’ny dia iray… Ary toa an’i Rivo, dia mbola be kokoa aza ny hery ampiasaintsika hanomanana zava-dehibe (zava-baovao, fifaninanana, fanadinana, fotoana nifanomezana, asa mahaliana…).
I Rivo dia nanoman-tena ho an’ilay asa tiany hatao fotsiny. Nametraka tanjona iray izy : ho tonga dokotera mpitsabo biby. Fa ahoana raha marary mafy izy ?
Hoy Andriamanitra : « He ! ianareo izay manao hoe : Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay […], kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. » Jakoba 4. 13-14
Ary raha maty izy ? Dia ho aiza ny fanahiny ?
Mazava ny lazain’ny Baiboly momba izany : « Ny vovoka dia hiverina amin’ny tany… ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome iny. » Mpitoriteny 12. 7
Etỳ an-tany isika dia manao ezaka mafy hanomanan-tena ho amin’ny zavatra tiantsika. Nefa manan-danja lavitra noho izany ny fanomanantsika ny ho mandrakizay, satria manana fanahy tsy mety maty isika.
Hihaino ny feon’Andriamanitra ve isika ka hankatò Azy ANIO, dieny mbola tsy tara loatra ?
Tsara ny miomana, nefa tsy maintsy amin’ny fomba tsara no hanaovana izany.
Mampahatsiahy ahy ny tantaran’ity mpiandry ondry iray izany. Taloha elabe, dia nisy tovolahy nantsoina hoe Davida. Niandry ny ondrin-drainy tany an-tsaha izy. Indray andro anefa, dia tsy maintsy niomana hiady tamin’ny olona goavana iray nantsoina hoe Goliata izy. Nentina teo anoloan’ny mpanjaka i Davida, ary nomeny akanjo fiadiana, fiarovan-doha, fiarovan-tratra sy sabatra.
Toa hoe vonona erỳ izato izy, mitafy toy ny tena miaramila e ? Eny e ! Mitafy ny zavatra ilaina hoentina miady izy, nefa, vao nanandrana nandeha izy, dia nihiaka hoe : « Tsy afa-mandeha amin’ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy. » 1 Samoela 17. 39
Dia nesorin’i Davida daholo ireo fitaovana ireo, ka ny zavatra fampiasany miandry ondry ihany no nentiny (tehina, vato kilonjy dimy ary antsamotady), ary dia resiny i Goliata.
Tokony hihaino izay lazain’ny namantsika ve isika sa hanaraka ny feon’ny fieritreretantsika ?
Tsia ! Ampy ny mino izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly : « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra (izany hoe izaho sy ianao) mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay. » Jaona 3. 16
Ny mino ny Zanak’Andriamanitra dia ny mino fa nentiny teo amin’ny hazofijaliana ny fanamelohana izay mendrika ny fahotantsika teo imason’Andriamanitra.
Efa vitan’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, daholo ny zavatra rehetra. Noho ny fitiavany antsika, dia maty nisolo toerana antsika teo amin’ny hazofijaliana Izy. Nivoaka avy teo amin’ny lanivoany, izay nolefonina, ny rany hamafa ny fahotantsika rehetra.
Izay ihany no tokony hinoana mba ho vonona hihaona amin’Andriamanitra, ka tsy hiharan’ny fitsaràny.
Efa nomanin’Andriamanitra ho antsika daholo ny zavatra rehetra. Fanapahan-kevitra avy amintsika sisa no andrasany.
Taorian’ny fanadinany, dia nanahy i Rivo mandra-pahazony ny valiny.
Fa izay mino an’Andriamanitra dia tsy tokony hanahy. Voavonjy ho mandrakizay izy.
Ry mpamaky malala, voaro amin’ny fitsarana ve ianao ? Zava-doza tokoa raha tonga tampoka aminao ny fahafatesana, nefa mbola tsy vonona ianao ! Ho TARA LOATRA, ary ho mandrakizay !