Areti-mikiky : ny ota

Mampivarahontsana !

Na inona vanim-potoana, na inona firenena, dia nisy hatrany ny areti-mandoza namely ny vahoaka, nahatonga fijaliana, famoizam-po ary fahafatesana. Nanamaivana ny fahorian’ny zanak’olombelona ny fandrosoana teo amin’ny siansa sy ny fitsaboana. Misy areti-mifindra efa foana tanteraka. Na izany aza, manoloana ny homamiadana, ny SIDA, na ny aretin-tsaina, dia miraviravy tanana ny mpitsabo indraindray. Any amin’ny tany sasany, mirongatra izaitsizy ny voka-dratsin’ny SIDA ka mampahatahotra ny manam-pahefana.

Ireo izay tsy tratran’izany fijaliana izany dia afaka misaotra an’Andriamanitra noho ny fahasalamana omeny azy ireo.

Kanefa ny TSIRAIRAY amintsika dia tratran’ny « aretina » mbola loza sy lalina kokoa noho ny SIDA na ny homamiadana. Mety hiafina mandritra ny fiainana iray manontolo izany « aretina » izany, nefa mikiky anatin’ny TSIRAIRAY mandra-pahafatintsika, ka mitarika ny fanahintsika ho any amin’ny fijalijaliana mandrakizay, ho lavitra mandrakizay an’ilay Andriamanitra fitiavana !

Io aretina lalina manjo antsika REHETRA io, ary angamba mbola tsy azon’ny sasany an-tsaina, dia : NY OTA.

« ... tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra. » Romana 5. 12
Aoka hijery ny zava-misy !

Matetika, noho ny fanajana na noho ny tahotra « tsy te hanakorontana », dia ialana ny hiresaka ny aretina efa hamono olona iray.

Toy izany koa, ezahina tsy hotononina firy intsony ny voambolana hoe « ota » satria manelingelina ny saintsika izany. Mahalana dia mahalana tokoa no misy fahadisoana faizina amin’ny hoe : Fahotana izany !

Hamaivanintsika ny fahotana rehefa mampiasa fiteny toy ny hoe « lainga kely », « diso lalana », « fahalemena mandalo », « mahazo ny olona rehetra izany », « tsy maninona e ! », sns, isika.

Tsy fantatsika intsony ny tena dikan’io voambolana io, na ny vokatra entiny.

« Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony. » Matio 12. 36
Inona no atao hoe ota ?

Araka ny Baiboly, izay rehetra atao na eritreretina ka mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra na amin’ny fahatahorana (fanajana) sahaza Azy, dia fahotana izay maniratsira ny voninahiny sy ny fahamasinany.

« Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin’i Jehovah. » 1 Samoela 15. 24

Ny fahotana voalohany nataon’i Adama sy Eva no nitarika ny zanak’olombelona iray manontolo lavitra an’Andriamanitra. Nisy hantsana tsy azo niampitana nanelanelana ny olona sy ny mpahary azy, dia Ilay Andriamanitra masina.

Tsy azo nihodivirana ilay didim-pitsarana hoe : « Fa fahafatesana no tambin’ny ota. » Romana 6. 23

Toy ny razambentsika, dia isika rehetra no mivesatra ny vokatry ny ota, na izany amin’ny aretina, na izany amin’ny fijaliana, ary amin’ny fahafatesana tsy azontsika ialana. Ny FAHAFATESANA no porofo tsy azo lavina fa isika TSIRAIRAY dia mpanota meloka eo imason’Andriamanitra.

Vokany ho mandrakizay

Ny vokatra maharary entin’ny ota dia mihoatra lavitra ny fahafatesan’ny vatana. Ny fanahintsika izay tsy mety maty dia miverina any amin’Andriamanitra ary ny TSIRAIRAY, ary IZY MIHITSY, no tsy maintsy hamoaka ny momba ny nitondrany ny fiainany :

« Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany... Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy. » Apokalypsy 21. 12-15

Nefa Andriamanitra dia tia antsika rehetra. Tsy navelany teo amin’ny vokatra mahatsiravin’ny fahotantsika isika. Noporofoiny antsika ny fitiavany.

Ny sorona nataon’i Jesosy Kristy no manadio amin’ny ota rehetra

Ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia mitaky ny fanasaziana ny olo-meloka na ny « olo-mahitsy » iray misolo toerana azy. Tsy misy olona na IRAY aza afaka nampitony na hampitony ny fahatezeran’Ilay Andriamanitra masina noho ny amin’ireo fahotany. Koa noho ny fitiavany tsy misy fetra ny TSIRAIRY amintsika, dia nataon’Andriamanitra sorona ny Zanany, Jesosy Kristy, mba hamonjy ny fanahintsika tsy ho tratran’ny fanamelohana ho mandrakizay.

Nanaiky ny ho tonga teto an-tany Jesosy Kristy, nitafy nofo mitovy amintsika, nefa dia teraka tsy nisy ota Izy. Nanome haja an’Andriamanitra Izy nandritra ny fiainany manontolo, tamin’ny nampisehoany fitiavana sy fahasoavana tamin’ny olon-drehetra. Nanelingelina ireo mpiara-belona taminy ny halavorariny, ka dia notsinontsinoaviny sy nankahalainy Izy. Na teo aza ny fandrika rehetra nataon’i Satana sy ny olombelona, dia nitoetra ho lavorary Izy. Tsy nanao fahotana Izy na dia IRAY aza. Koa dia Izy irery ihany no afaka naka ny toerantsika niaritra ny fitsarana hamafana ny fahotantsika, satria Izy dia « tsy manan-tsiny ».

Tia antsika Kristy ka nanolotra « ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra. » Efesiana 5. 2

Noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny fitiavany antsika, dia nanolotra ny tenany ho sorona teo amin’ny hazofijaliana Izy. Niaretany avy amin’Andriamanitra ny fanasaziana mendrika antsika. Niaikeny ny fahotantsika, toy ny hoe Izy no nanao izany, ary dia nihatra taminy ny fitsarana miezinezina tamin’izany. Dia maty Izy, ary latsaka ny rany rehefa nolefonin’ny miaramila iray ny lanivoany.

« Ny rany (ran’i Jesosy Kristy) teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana. » Kolosiana 1. 20

Nasehon’Andriamanitra fa afa-po ny fahamarinany noho io sorona io, tamin’ny nananganany an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.

Iza no ho voadio amin’ny fahotany ?

Ny famonjena ny fanahy dia azon’ny rehetra raisina, na dia ny jiolahy raindahiny indrindra aza, satria tsy misy fetra ny sandan’ny sorona nataon’i Jesosy Kristy.

« Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. » 1 Jaona 1. 9

Izay tsy miaiky fa diso izy dia toy ny mampandainga an’Andriamanitra ary manao tsinontsinona ny fahafatesan’i Jesosy Kristy Zanany. Noho izany dia hijalijaly mandrakizay izy lavitra ilay Andriamanitra fitiavana.

Ekeo izao ankehitriny izao io famonjena lehibe dia lehibe atolotr’Andriamanitra anao maimaimpoana io, miaraka amin’ny fahasambarana mandrakizay ho an’ny fanahinao.

« Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. » Jaona 3. 36

Publié le 01.01.2014


Télécharger le PDFAreti-mikiky : ny ota