Hankaiza ?

Ary rehefa avy eo?

Nifanena tamina mpianany taloha ity mpampianatra iray.

- Efa nahazo diplaoma ianao izao, koa inona no hataonao?

- Hitety tany aho mba hahafantarako izao tontolo izao.

- Ary rehefa avy eo?

- Dia hitady asa aho ary toerana honenako.

- Ary rehefa avy eo?

- Manantena aho fa hahazo vola be.

- Ary rehefa avy eo?

- Hahita fianarana tsara ny zanako, noho ny ezaka hataoko.

- Ary rehefa avy eo?

- Tsy hiasa intsony aho fa hanararaotra ny fiainana.

- Ary rehefa avy eo?

- Mieritreritra ny hiaraka amin’ireo zafikeliko aho.

- Ary rehefa avy eo?

- Efa ho antitra aho amin’izay.

- Ary rehefa avy eo?

- Angamba aho ho faty, ohatra ny olona rehetra.

- Ary rehefa avy eo?

Tsy nisy valiny intsony, tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy nandeha nihoatra izao fiainana izao ny eritreritr’ity tanora ity.

Kanefa dia mipetraka ny fanontaniana:

Inona no aorian’ny fahafatesana? Manodidina antsika, dia resahina ny hoe: paradisa, helo, afo fandiovana, fiverenana ao anaty vatana hafa, fahafoanana...

Izao no ambaran’ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra:

Notendrena « ny olona ny ho faty indray mandeha, ary REHEFA AFAKA IZANY, DIA HISY FITSARANA.  » Hebreo 9. 27

Tsy maintsy handalo ny fitsaràn’Andriamanitra, izany, ny olona rehetra? Eny, satria marina Andriamanitra; tsy afaka ny hijery ny fahotana Izy ka tsy hanafay izany.

Andriamanitra dia « madio maso ka tsy te hitsinjo ny ratsy.  » Habakoka 1. 13

Nefa Andriamanitra dia Andriamanitra fitiavana koa, ka tsy tiany hisy ho very, ho lavitra Azy mandrakizay, na dia olona iray aza.

Izany no nanirahany ny Zanany, dia Jesosy Kristy, ho etỳ ambonin’ny tany, hanambara ny vaovao mahafaly momba ny fiadanana sy ny fitiavany antsika. Nanao soa Jesosy nandritra ny fiainany, nefa koa nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana, nitondra tamin’ny tenany ny fanamelohana ny fahotantsika. Neken’Andriamanitra izany sorona izany, ary natsangany tamin’ny maty Izy: any an-danitra Izy ankehitriny.

« Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.  » Romana 5. 8
Vinavinana asa

Hisy hiteny angamba hoe: “Marina daholo angamba izany, nefa izahay anie ka mbola tanora e! Rahampitso mieritreritra ny zavatra lalina! Mbola manam-potoana hanaovana vinavinana asa isan-karazany izahay, alohan’ny hieritreretana ny fahafatesana.”

Indrisy, iza no mahalala ny ora hahafatesany?

Misy tantara ao amin’ny Baiboly, milaza olona iray nieritreritra ny hoaviny. Namokatra be ny tanimboliny, ka hoy izy anakampo hoe:

« Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako. Dia hilaza amin’ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia... Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: RY ADALA, ANIO ALINA NO HALAINA AMINAO NY FANAHINAO, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao? » Lioka 12. 18 hatramin’ny 20

Toa an’io lehilahy io dia matetika isika no manao vinavina ny amin’ny hoavy, kanefa azon’Andriamanitra atao ny manala ny aintsika ao anatin’ny indray mipy maso.

« Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. » Jakoba 4. 14

Noho izany dia zavatra tena lehibe ny hanomezana valiny, DIENY IZAO, an’ilay fanontaniana hoe: ho aiza moa isika aorian’ny fahafatesana?

Raha toa ianao mino fa nisolo toerana anao i Jesosy Kristy, mba hilanja ny fitsaràn’Andriamanitra mendrika anao, dia handray dieny izao ny fiainana mandrakizay ary hiaraka Aminy ho mandrakizay.

Fa raha toa kosa ka tsy mino izay lazain’Andriamanitra ianao, dia ho lavitra Azy mandrakizay, ho ao amin’ny haizin-kitroka, ny fampijaliana, ny tomany, ny fikitroha-nify..., tsy misy fotoana mba hitsaharana na fanampiana azo andrasana.

Ny fitodian’ny sambo

« Efapolo taona izao no naha-tantsambo ahy, ary mbola tsy nahita sambo tsy nanan-tanjona mazava tsara hitodiana aho. »

Mampitsiky anao izany tenin’ity kapiteny iray efa nahazo taona ity izany. Azo heverina tokoa ve izany sambo tsy mahalala izay alehany izany, na fiaramanidina misidina nefa tsy fantatry ny mpanamory akory izay tokony halehany?

Tokony hampieritreritra antsika ny tohin’ny resany.

« Nandritra ilay dia lava dia lava tamin’ny fiainako, dia mahalana aho no mba nifanena tamina “sambo olombelona” (izany hoe olona toa ahy sy ianao) nanana tanjona mazava hitodiana. Isaky ny manontany olona tokoa mantsy aho, hoe aiza ny fitodiana izorany, dia maro ny namaly hoe manantena izy ireo... fa tsy mahazo antoka. Nefa raha io fanontaniana io no napetrakao tamiko, fony aho nanamory ny samboko, ka namaly aho hoe: “Ho any Japana isika, nefa mety ho any New York koa”, dia rariny tanteraka raha ho nilaza ianao hoe: “Lasa adala ny kapiteny!” »

Ary ianao, tena azonao antoka ve ny fitodiana alehanao? Afaka miteny tsy mihambahamba ve ianao hoe:

« Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, ... nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka... (nampiseho) mazava ny fiainana... Fantatro Izay inoako.  » 2 Timoty 1. 10, 12
« Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.  » Romana 6. 23

Publié le 15.10.2009


Télécharger le PDFHankaiza ?