Fanapahan-kevitra tsara

Pejy navadika

Te hitantara aminao ny momba ity mpianatra iray aho. Zazalahy kely mora tezitra izy io. Indray andro, tena nisafoaka izy, ka natsipiny ny peniny. Tonga teo amin’ny biraon’ny mpampianatra azy io. Nony nitsangana haka ilay peniny ity mpianatra, dia nahita fa nisy tasy teo amin’ny bokin’ilay mpampianatra!

Inona no nataony, hoy ianao? Navadiny ilay pejy, sady hoy izy anakampo hoe: “Amin’izao dia tsy misy mahita na inona na inona.”

Isika koa matetika dia manao toa azy. Miezaka ny hanadino ny lasantsika isika, nefa tsy voafafa izany. Mbola eo foana izy. Mampahatsiahy antsika izany mandrakariva ny fieritreretantsika.

Koa inona àry no azontsika atao? Mety hahafafa ny ratsy nataontsika ve ny fanaovan-tsoa?

Ezaka very maina izany! Tsy mitondra na inona na inona.

« Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? » Jeremia 13. 23

Lainga iray, zavatra ratsy natao... fahotana ireny, ka mendrika ny fitsaràn’Andriamanitra.

Tia antsika anefa Andriamanitra, ary nirahiny ho etỳ amin’izao tontolo izao i Jesosy Kristy Zanany, mba hisolo toerana antsika, hiatrika izany fitsaràna izany.

« Izy (Kristy) nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo. » 1 Petera 2. 24

Raha mino ianao fa nijaly noho ny fahotanao i Jesosy, ary maty ho anao, dia voavonjy ianao, afaka amin’ny fanamelohan’Andriamanitra, izay mendrika ho anao.

« Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. » 1 Jaona 1. 7

Inona no tokony hatao?

Miteny amin’i Jesosy izay ratsy nataonao, miaiky izay tsy tokony ho nolazaina na natao. Dia havelan’Andriamanitra ny fahadisoanao. Hohadinoiny tanteraka izany ka tsy hotsarovany intsony mandrakizay.

Hariany « ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. » Mika 7. 19
Fanapahan-kevitra tsara

Mieritreritra ny taona vao lasa iny i Mamy. Tsaroany daholo ny zavatra rehetra niseho, ny zavatra rehetra nataony... sy tsy nataony.

Inona izao no hoentin’ity taona vaovao ity ho azy? Hasambarana sa alahelo, fahombiazana sa tsia, fahasalamana sa aretina, fihavanana sa ady?... Tsy fantatr’i Mamy.

Fa tiany hiova fotsiny ny fiainany. Tsy te ho tafiditra intsony ao anaty savorovoro tsy misy farany noho ny laingany izy. Te hanova io toetra ratsiny io izy, ary tapa-kevitra fa tsy maintsy vitany izany. Satria vaovao ny taona, dia mieritreritra izy fa izao no fotoana tsara hihetsehana. Naka taratasy izy, dia rafitra nanoratra:

Manapa-kevitra ny tsy handainga intsony aho manomboka androany.

Amin’izay dia azony antoka fa ho tsaroany foana izany ary hataony. Kevoka erỳ i Mamy nametraka ny daty sy nanasonia ilay taratasiny.

Ary izaho? Ary ianao?

Isika koa ve tsy manana zavatra maro tokony hovàna eo amin’ny fiainantsika?

Angamba izany mitsahatra tsy mandainga intsony, na koa tsy be fialonana intsony, tsy fetsifetsy, tsy tia ady, tsy tia herisetra, tsy mandray zava-mahadomelina intsony, tsy mangalatra intsony...

Mety ho fantatry ny fianakaviantsika sy ny namantsika io toetra ratsy io, nefa koa mety ho tsiambaratelo nafenina ao anatintsika lalina ao. Nefa miteny ny fieritreretantsika, ka raha ny marina, dia tsy mirehareha amin’izany isika: tsapantsika ao anaty lalina ao fa misy tsy mety.

Fa tena tsiambaratelo tokoa ve izany e? Tsy nisy nahita na nandre ve isika? Fa na inona na inona nitranga, nisy fara faharatsiny olona iray nahita ny zavatra rehetra:

« Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaràn’ny ataontsika »: dia Andriamanitra izany. Hebreo 4. 13

Maro ny zavatra tsy mety eo amin’ny fiainantsika, isika rehetra, rehefa eo anatrehan’Andriamanitra isika.

Afaka mitondra fiovàna eo amin’ny fiainantsika ve isika?

Mba efa naka fanapahan-kevitra tsara ve ianao indray andro tany? Voatànanao ve izy ireny, niova ve ny fihetsikao?

Izaho efa nanandrana matetika, fa tsy nahavita mihitsy... raha tsy nisy ny fanampian’i Jesosy Kristy! Na dia soratana amin’ny taratasy aza izany, dia tsy maintsy hadino, na ho ela na ho haingana. Fahadisoam-panantenana toy inona moa izany mahita ny ezaka natao miafara amina tsy fahombiazana!

Na iza na iza, tsy afaka ny hitondra fiovàna maharitra eo amin’ny fiainany, amin’ny alalan’ny heriny samirery.

Koa aiza no ahitana ny tena vahaolana?

Rehefa niaiky ny fahotantsika tamin’Andriamanitra isika ary nino fa maty ho antsika i Jesosy Kristy, dia mandray fiainana anaty vaovao: ny fiainana mandrakizay —fiainam-panahy.

« Izay mino (an’Andriamanitra)... no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. » Jaona 5. 24

Ny fiainana mandrakizay dia mahatonga ao anatintsika ao faniriana vaovao ankasitrahin’Andriamanitra. Izany dia manome antsika hery vaovao, hanaovantsika ny tsara, ombàn’ny herin’ny Fanahy Masina.

« Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo. » Galatiana 5. 16

Anjaranao ny mandray ny fanapahan-kevitra tsara ho amin’izany dingana vaovao amin’ny fiainanao izany.

Amin’izany dia hahazo isan’andro ny fanampian’Andriamanitra ianao, tsy ho resin’ny toetra ratsinao ary ho afaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana. Hiaina mendrika Azy ianao. Dia ho faly ianao milaza hoe:

« Jehovah Tompo no tanjako. » Habakoka 3. 19

Publié le 15.10.2009


Télécharger le PDFFanapahan-kevitra tsara