Ilay fanomezan’Andriamanitra

« Ilay fanomezan’Andriamanitra. » Efesiana 2.8

Ilay fanomezan’i Laingo

Laingo sy Ravaka dia mpinamana mifankahita matetika. Indray andro i Laingo dia nanolotra tapakila iray tamin’i Ravaka : « Ity misy tapakila ahazoanao mifidy izay boky tianao, any amin’io trano fivarotam-boky io. Mahafaly ahy ny manolotra iny ho anao. » Nisaotra azy i Ravaka, sady nasitriny tany anaty poketrany ilay tapakila, sao very.

Nandeha ny fotoana. Indray hariva, dia nanapa-kevitra ny hampirina ny poketrany i Ravaka. Taitra tampoka izy : « Ndray ! Ity ilay tapakila nomen’i Laingo ahy ! Tena nadinoko tanteraka. Tsy maintsy ampiasaiko haingana. Fa … e ! Efa lany andro ! » Nony nodinihin’i Ravaka akaiky ilay tapakila, dia hitany fa tsy mandeha intsony.

Diso fanantenana fatratra izy, ary tsy nitsahatra ny nimonomonona hoe : « Tokony ho nitandrina kokoa aho. Tokony ho nijery tsara, talohan’ny nampirimako azy. Tokony ho notadidiako io, dia nampiasaiko alohaloha kokoa … »

Be ny mbola ho azo lazaina ! Fa izao dia tara loatra. Tsy afaka miverina intsony i Ravaka. Very tanteraka ilay fanomezana. Indrisy !

Hoy angamba ianao hoe : « Misy zavatra lehibe noho izany. » Eny e !

Nefa dia nandany vola i Laingo, nividy iny fanomezana iny, ary faly erỳ nanolotra azy. Ny fanadinoana ny fanomezany dia toy ny somary manivaiva azy ihany.

Ny fanomezan’Andriamanitra

Nanolotra « fanomezana » ho antsika koa Andriamanitra.

"Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana (Jesosy), mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3. 16

Ny hoe mino an’i Jesosy, dia ny manaiky fa nirahin’Andriamanitra ho etỳ an-tany Izy, mba ho faty teo amin’ny hazofijaliana, tena nijalijaly. Izany no vidin’ny famafana ny fahotantsika. “Ny ra soan’i Kristy” ... “no nanavotana anareo.” 1 Petera 1. 18-19

Fanomezan-dehibe izany ! Tsy misy afaka mividy ny fiainana mandrakizay. Lafo loatra izany. Fa nataon’Andriamanitra kosa izay mety, satria tiany isika. Novonjeny isika, "tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo." Titosy 3. 5

Tsy manery na iza na iza Andriamanitra. Avelany hanana safidy malalaka isika. Raha tsy nahazo tombontsoa tamin’ilay fanomezana nomena azy i Ravaka, dia fahadisoany irery ihany izany.

Hoy Andriamanitra amintsika : "Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao." Deoteronomia 30. 19

Iangavian’Andriamanitra isika hanaiky io fanomezana maimaimpoana io, ankehitriny. Fa misy fetrany ny fahasoavan’Andriamanitra. Indray andro any, dia ho tara loatra ! Rahoviana ? Rehefa ho faty isika… ary mety ho anio izany !

Amin’izay dia ho very tanteraka ny fanomezan’Andriamanitra, ho an’ireo izay tsy nandray izany, na koa “nanadino” izany fotsiny. Inona no hoaviny ? Tsy azo ihambahambana ny voalazan’ny Baiboly :

"Mialà amiko… ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay." Matio 25. 41
Ilay vakana voahangy

(avy amin’ilay boky hoe « Manambara ny tsiambaratelony ny vatosoa » )

Vao avy nividy vakana voahangy tsy tena izy i Miora. Kevoka erỳ izy, nampiseho izany tamin’ny ray aman-dreniny. Tampotampoka teo, dia hoy rainy taminy : « Miora a ! Tia ahy ve ianao ? » Tsy nihambahamba izy, namaly hoe : « Endrey ! Tiako injato amin’arivo i Dada ».

Dia nametraka fanontaniana hafa ny rainy : « Miora a ! mba foinao ho ahy ve iny vakana voahanginao iny ? » Tsy nisy valiny... Namerina ilay fanontaniany ny rainy, nefa mbola tsy nahazo valiny ihany. Dia norohiny ilay zanany, ary navelany handeha.

Ny ampitso, dia nanantena i Miora hoe hohadinon-drainy ny hangataka aminy ilay vakana voahangy sarobidiny. Fa mbola toy ny niseho omaly ihany no nitranga.

Ny andro fahatelo, dia nisalasala kely i Miora vao nipetraka teo akaikin-drainy. Teny mamy nefa no nobitsibitsihin-drainy taminy, ary avy eo dia ilay fanontaniana mahavaky ny fon’i Miora. Tsy namaly izy, fa tena nisy ady mafana tao anatiny. Tiany ny rainy, nefa efa ela izy no naniry vakana voahangy !

Dia nipetraka indray ilay fanontaniana : « Mba foinao ho ahy ve iny vakana voahangy iny ? » Tsy nahafehy tena intsony i Miora. Nigogogogo nitomany izy, ary nomeny azy ilay vakana. « Misaotra anaka », hoy izy. Dia nametraka boaty kely teo ampofoan’i Miora izy… Vakana tsara tarehy, ary tena voahangy !

Toy izany koa Andriamanitra, te hanome antsika fiadanam-be, fiadanana mihoatra noho ny hafaliana rehetra eto an-tany. Mba hahazoana izany, dia angamba ianao mety ho voatery handà fahafinaretana mihelina, nefa ho setrin’izany, dia handray ny fiainana mandrakizay ianao, ary hahazo ny fiadanana sy ny fifaliana ao am-ponao.

Fantatrao angamba izany zavatra rehetra izany, nefa ve tena noraisinao ho anao tokoa ?

Angamba sarotra aminao ny hino fa tia anao Andriamanitra, nefa dia manana fanomezana sarobidy ho anao Izy :

"Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika." Romana 6. 23

Ekeo fotsiny io fanomezana io, amin’ny finoana fa nanolotra ny ainy i Jesosy Kristy hamonjy anao, fa maty ho anao Izy, mba hamafana ny fahotanao.

Fa kosa, aza hadino ny fanomezan’Andriamanitra,
faniratsirana Azy izany !
"Inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy ?" Marka 8. 36
"Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena." 2 Korintiana 6. 2

Publié le 15.10.2009


Télécharger le PDFIlay fanomezan’Andriamanitra